Startup Week End: Mahakasika ny ESS indray ny lohahevitra amin’ity andiany manaraka ity.
Efa andro vitsivitsy sisa no andrasana dia higadona indray ny Startup Week End. Fotoana iray hanaganana orinasa ho amin’ny fampandrosoana indrindra. Mahakasika ny “économie, sociale et solidaire”indray ny lohahevitra noraisina tamin’ity andiany manaraka ity izay hatao ny 24, 25 ary 26 martsa ho avy izao. Manazava ny tena hoe ESS ny tompon’andraikitra.
“Ny ESS na ny “économie, sociale et solidaire” dia mifototra amin’ny fampifandraisana ny tontolo sy ny maha-olona amin’ny toe-karena sy ny fikirakirana ny lafiny ara-bola. Sehatra roa afaka miara-miasa ireo ary sehatra roa afaka hananganana orinasa mifanaraka amin’izany indrindra indrindra. Ao anatin’izany ianao dia sady mampidi-bola ho anao no afaka manorina fiaraha-monina mahomby sy mivoatra hatrany”, hoy i John Harivelo, mpisehatra amin’ny tontolon’ny fananganana orinasa sady anisan’ny mpikarakara ny hetsika.
“Toy ny mahazatra dia 54ora tsy an-kiato, hiasana hahafahana manangana orinasa maromaro ho amin’ny fampandrosoana hatrany. Hisy hatyrany ny fanohanana avy amin’ireo “coach” isan-karazany hahafahana mamoaka vokatra tsara sy ny fitaovana hari-fomba ho ampiasain’ny mpandray anjara”, hoy i Hasina Razafintsalama, mpikarakara.
Raha tsiahivina dia mahakasika ny fampianarana ny lohahevitra tamin’ny andiany farany teo izay nahafahana namoaka tetik’asa tsara. Tsy ambakan’izany ity lohahevitra noraisina ity izay mivelatra amin’ny sehatra maro isan-karazany ka azo hivalaparana tsara. Tsy misy fiovana ny fandraisana anjara fa 20 000ariary hatrany ho an’ny mpianatra ary 40 000ariary kosa ho an’ireo izay efa miasa.
Miora Raharisolo
