ActualitésTsidika

Alasora: Hisy ny zotra vaovao hanampy ireo efa misy ao an-toerana

Nisy ny fivoriana nataon’ireo tomponandraikitra misahana ny fitaterana sy ny kaominina Alasora, ny talata teo mahakasika ny fanatsarana sy fandrindrana ny zotra ao an-toerana. Nivoaka nandritra izany ny fehin-kevitra amin’ny fanampiana ireo zotra hiasa ao an-toerana manomboka izao, araka ny voalaza.

“ Hisy ny zotra vaovao hanampy ireo zotra efa misy eto amin’ny kaominina Alasora, ho fanampiana sy ho fanatsarana ireo efa misy eto an-toerana. Anjaran’ny tsirairay no manara-maso sy mitondra ny kiana ahafahana hatrany ny fomba fiasa ao anatin’izany” hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.

“ Hevitra mety tokoa ny fanampiana ny zotra tahaka izao. Ny kaominina rahatelo efa mivelatra, mitombo ny mponina mivezivezy ka rariny raha hatsaraina sy havaozina hatrany teo aloha mba hifanaraka amin’ny zava-misy” hoy I Liva, mponina ao Alasora.

Marihina moa fa ny zotra E izay mampitohy an’I Mahatsinjo, Ambodivoanjo, Ankadindratombo, RN 58 Bis, Ambohimangakely ary Mahazo no vaovao anatin’izany. Ao ihany koa ny mampitohy an’I Mahatsinjo sy ny Fasika Ankadimbahoaka ary Antanety Miadana sy Mahazo. Tsy miova kosa ny an’ireo zotra hafa ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire