Ambohimangakely: Nisy ny lamina vaovao napetraka eo amin’ny saran-dalan’ny koperativa Kofiatra
Nisy ny lamina vaovao napetraky ny avy amin’ny koperativa kofiatra sy ny kaominina Ambohimangakely mahakasika ny saran-dalana amin’ireo zotra miasa ao an-toerana. Manomboka amin’ny sarany 600ar hatramin’ny 1000ar izany, rah any voalaza.
“ Ny hirariana sy hangatahana amin’ny tomponandraikitra amin’ny fandaminana vaovao tahaka izao ny mba hiovan’ny fomba fiasa ireo mpitatitra, mba hanaja ny mpandeha satria raha mampiakatra saran-dalana izy ireo dia tokony hanatsara ny kalitaon’ny asa aton’ny mpanjifany” hoy i Laza, mponina ao Ambohimangakely.
“Raha ny alaviran-dalana aloha no jerena dia rariny ihany raha misy ny fampiakarana saran-dalana. Maro ireo koperativa no manao saran-dalana roa tahaka izany fa saingy eo amin’ny fifanajana sy ny fanatsarana no tokony himasoan’ny tomponandraikitra mba hanara-dalàna ireo mpamily” hoy I Hery, mpampiasa ny zotra.
Mbola maro no mametra-panontaniana hoe hanova ny fomba fiasan’ireo mpitatitra izay mampitaraina ny mponina hatrany ve izao fampiakarana ny saran-dalana izao. Hanomboka ny talata 21 Martsa kosa ny fampiharana izany.
Manitra R.
