Antsiranana II: Tambazotra mpanao vola sandoka saron’ny mpitandro filaminana
Olona miisa 14 be izao izay voarohirohy ho mpanao vola sandoka no tratran’ny mpitandro filaminana tao amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart ao Antsiranana faharoa. Nosamborina avy hatrany ireo olona ireo rehefa vita ny angom-baovao nataon’ ny Polisim-pirenena. Mbola nahitana lelavola ihany koa niaraka tamin’izy ireo tamin’izany.
“Mbola nahitana lelavola sandoka izay mitentina ho 27 080 000 Ariary vita amin’ny vola 20 000 Ar sy 570 000 Ariary vita amin’ny vola sandoka 10 000 Ariary tany aminireto olon-dratsy ireto. Mbola tanora ny zandriny indrindra tamin’izy ireo raha 25 ary 52 taona kosa ny zokiny idnrindra. Mbola tsy fantatra hatreto ny fomba hanapariahany ireo vola sandoka ireo”, hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao amin’ny Kaomisaria Tanambao 5.
Marihina fa tsy olona avy ao Antsiranana izy ireo fa mpila ravi-nahitra avy aty Antananarivo. “Ny tsy fisiana asa no mahatonga ny olona mandeha mifindra monina sy mitady vola any amin’ny faritra hafa. Eo ihany koa ny fahasotan’ny fiainana, Rehefa miala ny toeram-ponenana dia mila mitondra vola mody kanefa any amin’ny toerana aleha ihany koa mety tsy misy vola. Izany rehetra izany no antony mahatonga ny tranga toy izao. Mila hikarohana vahaolana ny hamafin’ny fiainana kanefa tsy tokony hiadnry ny fitondram-panjakana”, hoy i Clément, olon-tsotra izay naneho ny heviny mahakasika izany.
Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tsy nisy nitondra karapanondrom-pirenena izy ireo. Notanana am-ponja araka izany ka hiatrika ny fitsarana. Marihina fa gadra an-tranomaizina mandra-pahafaty no sazy tokony homena ireo mpanao vola sandoka. Anatin’ny ady toy izao no hisehoan’ny tranga na kolikoly izay tokony hofoanana.
Miora Raharisolo
