ConseilTsidika

Torohevitra: Ny vokatsoa azo avy amin’ny voasarimakirana

Maro dia maro ireo voka-tsoa entin’ny voasarimakirana na eo amin’ny fahasalamana, na hanadiovana na hikarakarana ny vatana. Efa ela ny malagasy no nampiasa ny voasarimakirana ho fanafody enti-manampy ny hery fiarovana ao anatin’ny vatan’olombelona. Misy ihany koa anefa ireo mampiasa azy enti-manatsara ny endrika amam-bika sy hikolokoloana ny vatana.

Raha hikarakarakarana ny endrika amam-bika ny voasarimakirana, anisan’ny miady amin’ny loto ary manavao ireo sela ratsy amin’ny hoditra. Ho an’ireo te hanadio tarehy, silahana roa ny voasarimakirana ka hosorana malefaka amin’izany ny tarehy. Kobanina amin’ny rano matimaty avy eo. Tsy tsara atao tratry ny taratry ny masoandro anefa izany. Anisan’ny manala mony, manala tasy ary manazava ny endrika izany.

Ity voasarimakirana ity ihany koa dia anisan’ny miady amin’ny loto sy ny fofona ratsy. Efa mafana ny andro amin’izao, ka ho an’ireo izay manana olana amin’ny hatsembohana izay miteraka fofona ratsy, indrindra ny ambany helika, azo atao tsara ny mampiasa ny voasimakirina ho solona “deodorant”. Anisan’ny manafotsy ny helika ary manala ny fofona ratsy amin’ny helika izy io.

Ankoatra izay, manala ny tsatsakoatra amin’ny vatana ihany koa io voasarimakirana io, ary manala ireo faritra mainty amin’ny vatana toy ny eo amin’ny hatoka, ny kiho sy ny lohalika.

Maro ireo vokatra azo avy amin’ny voasarimakirana, ity farany izay fantatra fa anisan’ny vokatra manan-karena vitamin C sy miady amin’ny bacteria maro. Miankina amin’ny fahazotoana mikarakara ihany anefa no ahazoana vokatra tsara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire