Alasora : Hitohy ao amin’ny fokontany Ambohitanety ny fandehanana ifotony, fandoavana hetra-trano
Mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny fandehanana eny ifotony amin’ny fandoavana hetra-trano ny ao amin’ny kaominina Alasora, amin’izao fotoana izao. Anjaran’ny ao amin’ny fokontany Ambohitanety indray no hanatanterahana izany ho an’ny rahampitso 26 Aprily sy ny alakamisy 27 Aprily, araka ny voalaza.
« Tahaka ny tao amin’ny fokontany Ambohimanarina, dia mitohy ao amin’ny fokontany Ambohitanety ny fanatanterahana ny fidinana ifotony amin’ny fandovana hetra-trano. Hanentanana ireo mponina ho tonga mavitrika ary hanatanteraka izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Ny angatahana amin’ny tompon’andraikitra dia mba tahaka ny fitakiana ny hetra isaky ny fokontany no hanaovana ny tamberinandraikitra ho an’ny vahoaka isam-potony. Misy ireo fokontany tena tsy hita ary tsy mahazo ny anjarany amin’ny asa fampandrosoana kanefa ny fandoavana hetra atao foana ihany » hoy i Fanja, mponina ao Alasora.
Anisan’ny mampanano sarotra ny ankabeazan’ny mponina amin’izao fotoana ny fandoavana hetra. Eo ny antony noho ny fahasarotan’ny fiainana, eo ihany koa ny tsy fahafantarana ny antony tokony andoavana izany, fa indrindra, ny tsy fisian’ny tamberinandraikitra eny amin’ny mponina (ohatra ny fanamboaran-dalana, foto-drafitr’asa mamaly ny filàn’ny vahoaka).
Manitra R.
