ActualitésTatitra

Maurice : Hisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny fepetra hiadiana amin’ny fanjonoana trondro « thon » be loatra

Hotontosaina ny 8 hatramin’ny 12 may izao ao amin’ny nosy Maurice ny fifanakalozan-kevitra momba ny fepetra hiadiana amin’ny fanjonoana trondro « thon » be loatra. Firenena aty amin’ny ranomasimbe indianina no voakasik’izany ary fepetra tsy hisy fiantraikany amin’ny sehatra ara-toekarena no ho raisina amin’izany raha ny fanazavana. Marihana mantsy fa mivelana amin’io sehatra io avokoa ny ankahamaroan’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina.

Ahoana ny hampifanaraka ny fomban-drazana, ny tontolo iainana ary ny indostria eo amin’io sehatra io? Izany no fanontaniana ho vahana mandritra io fivoriana io. Tanjona amin’izany ihany koa ny fanavotana ny sehatry ny jono indostrialy « thon » sy ny mpiasa misehatra eo amin’izany ary ny zava-boahary. Marihana fa manoloana ny fisokafaran’ny « thoniers senneurs » amin’ny nosy maromaro aty amin’ny amin’ny ranomasimbe indianina dia nidina ambanin’ny fetra ahafahany ho lovain-jafy ny isan’ny thon.

Laisser un commentaire