ActualitésTatitra

Maurice : Nahazo ny mari-pahaizana ihany i Jane Constance

Tovovavy avy ao Maurice, teraka ny 16 septambra 2000 i Jane Constance. Jamba hatrany am-bohoko izy saingy tsy nahasakana azy hanatanteraka ny nofinofiny izany. Raha tsiahivina dia mpandresy tamin’ny The Voice Kids 2015 ny tenany ary efa manana ny hira sy raki-kirany manokana. Efa notendren’ny UNESCO ho « artiste pour la paix » ihany koa izy ny taona 2017.  

Ankoatra ny maha mpanakanto azy kosa dia nilofo nianatra tao amin’ny The University of Central Lancashire tao Angleterre i Jane Constance fa eo aza ny olana ara-pahitany. Mpianatra jamba voalohany avy tamin’ny firenen-kafa tao an-toerana ihany koa ny tenany. Rehefa nianatra 4 taona tao amin’io oniversite io kosa i Jane dia nahazo ny mari-pahaizany momba ny lalàna.

Laisser un commentaire