ActualitésTatitra

La Réunion : Hanomboka rahampitso ny « Fête du Choca »

Manana hetsika manokana ho an’ny taretra na « Choca » ny nosy la Réunion. Antsoina hoe « Fête du Choca » izany ary hanomboka rahampitso 21 jolay hatramin’ny 23 jolay ny andiany faha-18 amin’izany. Toy ny isan-taona dia eo amin’ny Place de la Liberté ao amin’ny tanàna Entre-Deux no hanatanterahana izany.

Manodidina ny 10 000 isa kosa ny mpitsidika andrasana amin’ity taona ity hoy ny tompon’andraikitra. Io fotoana io dia marihana amin’ny fampirantian’ireo mpanao asa tanana vita amin’ny taretra avy amin’ny fikambanana samihafa, misy ihany koa ny toeram-pivarotana samihafa ary ny atrikasa isan-karazany manodidina ny « Choca » na taretra.

Marihana fa azo hamokarana zavatra maro toy ny kapa, firavaka, haingon-trano, satroka sns ny taretra.

Laisser un commentaire