ActualitésTatitra

Etats-Unis : Tovovavy iray no nararaotin’ny mpivady iray ara-nofo nandritra ny iray volana

Tovovavy iray 18 taona no nisy naka an-keriny tao amin’ny comté Harris tao Texas. Nifampiresaka tamin’ny lehilahy iray izay nisarika azy nankao an-tranony tao Foxmont Lane io tovovavy io saingy rehefa tonga tao an-toerana dia tonga saina fa fandrika no nahazo azy.

Nisy vehivavy iray hafa izay vadin’ilay lehilahy tao amin’ilay trano. Nafatotr’izy ireo teo ambony ny fandrina ilay tovovavy ary nanamparan’izy ireo ny filàn-dratsiny nandritra ny 30 andro. Ny 16 jolay teo, rehefa tsy tao an-trano ireo olon-dratsy no niezaka namaha ny fatorany ilay tovovavy ary afaka ka nitsoaka ary nitady vonjy tamin’ireo trano manodidina azy.

Ireto farany no niantso ny manam-pahefana ary nitondra ilay zazavavy tany amin’ny hopitaly. Voasambotra kosa ireo olon-dratsy antsoina hoe Jose Reyes, 31 taona sy Jacqueline Macias, 29 taona.

Laisser un commentaire