Inde : Miady ny sisin-tany i Assam sy i Mizoram
Nipoaka ny fifandonana teo amin’i Assam sy i Mizoram izay roa amin’ireo firenena fito manamorona io sisin-tany io, miaraka amin’i Bhoutan, Birmanie, Bangladesh ary Chine. Antsoina hoe « seven sisters » na mpirahavavy fito ny fitambaran’ireo firenena ireo nefa matetika ny ady tany ataon’izy ireo.Nisy fitifirana mihitsy nandritra io ady farany teo tao amin’ny distrikan’ny Cachar io. Polisy 6 sy sivily iray no maty tao amin’ny Assam ary 80 no naratra teo amin’ny roa tonta. Niampanga ny mpitondra ny Assam, Himanta Biswa Sarma fa mandripaka ala hanamboara làlana sy hambolena tsy ara-dalàna i Mizoram, antony nampiteraka ny savorovoro.
