Chili : Maniry ny hanondrana « hydrogène vert » ho an’izao tontolo izao
Efa napetraky ny filoha chilien Sebastian Piñera tamin’ny volana novambra 2020 ny drafitra hampidirana an’i Chili ao anatin’ireo telo voalohany eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena amin’ny fanondrana ny angovo « hydrogène vert ». Ity farany izay ampiasaina eo amin’ny fitaterana sy eo amin’ny indostrian’ny vy.Maminavina ny hampiasa vola 50 tapitrisa dollars ny fitondram-panjakana chilien entina hanohanana io tetik’asa io. Efa nanomboka nametraka « diplomatie de l’hydrogène vert » ny firenena ankehitriny hakàna toerana eo amin’io sehatra io eo amin’ny varotra iraisam-pirenena. Tsiahivina fa Chili no tompondakan’ny angovo azo havaozina ao Amérique latine.
