Arabie Saoudite : Mbola manjavozavo ny nahafaty an’i Jamal Khashoggi
Mpanao gazety i Jamal Khashoggi. Teraka ny 13 Oktobra 1958 tao Médine, Arabie Saoudite izy ary maty novonoina ny 2 oktobra 2018 tao Istanbul, Turquie. Efa tale jeneralin’ny Al-Arab News i Jamal Khashoggi ary efa nanoratra ho an’ny gazety Al Watan.
Niasa ho an’ny prince Turki ben Fayça, talen’ny sampam-pitsikilovana teo aloha tao an-toerana i Jamal Khashoggi nanomboka ny taona 1980 hatramin’ny taona 2000. Nanakaiky ny fitondrana tao Arabie Saoudite foana io mpanao gazety io saingy nanapa-kevitra ny niala tamin’izany ny taona 2017 taorian’ny nahazoan’i Mohammed ben Salmane ny anaram-boninahitra « prince » mpandova sy ny fitondram-panjakana.
Nitsaoka ny fireneny izy tamin’io vona septambra 2017 ary nanao fanambarana tamin’ny tamba-jotra Twitter fa noroasina. Nanoratra lahatsoratra nanakiana ny « prince » mpandova sy ny mpanjaka, Salmane ben Abdelaziz Al Saoud ihany koa izy nanohitra ny fitsabahana tao Yémen.
Niditra tao amin’ny kaonsilin’i Arabie Saoudite tao Turquie kosa izy ny 2 oktobra 2018, ary tsy nivoaka tao intsony. Voalaza fa novonoina sy notapatapahina izy, ary nalevona tao anaty asidra. Mbola mitohy ny fanadihadiana amin’izao.
