Ambohimalaza: Tratra ny andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadina
Andian-jiolahy, mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Andranomahavelona, fokontany Masombahiny, kaominina Ambohimalaza, no saron’ny mpitandro filaminana mpanao fisafoana amin’ny alina, ny 12 oktobra teo. Fampialazana nataon’ny avy ao amin’ilay toka-trano voatafika no nahafahana nanatratra ireo olon-dratsy, raha ny voalaza.
“Nikasa hanafika tao amin’ny tokatrano iray tao Andranomahavelona ireo andian-jiolahy ireo, izay nisy vehivavy ihany koa tao anatiny. Rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo ka nampiomana hamatotra sy hamono ny olona voatafika, no nnisy tafaporitsaka ny tompon-trano ka nahavita niantso sy niantso ny zandary” hoy ny avy amin’ireo mpitandro filaminana.
“Tsy lavitra teny moa nisy zandary mpanao fisafoana, tamin’io fotoana io, ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy. Tsy tratra teo no ho eo ireto jiolahy ireto fa noho ny traikefa sy ny fahaiza-manao nananan’ny zandary kosa dia voasambotra avokoa izy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.
Ireo zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimalaza moa no nahatratra ireo jiolahy ireto. Mbola tratra teny amin’izy ireo avokoa moa ny fitaovana nanmpiasaina nandritra ny fanafihana sy ny ody ratsy fampiasan’izy ireo.
Manitra R.
