ActualitésTatitra

Russie : Iza moa i Apollon Maïkov ?

Mpanoratra teraka tamin’ny 23 May 1821 tao Moscou i Apollon Maïkov, ary maty ny 8 martsa 1897 tao Saint-Pétersbourg. Poeta avy ao Russie tena nanana ny lazany ny tenany, ary zanaky ny mpanao hoso-doko Nikolaï Maïkov. Ny reniny kosa dia nanoratra tononkalo sy poezia ary ny rahalahin’ny poety dia mpitsikera sy mpamoaka literatiora.

Avy tamin’ny fianakaviana nanana talenta manana ny fomba amam-panao ara-kolontsaina i Apollon Maïkov. Anisany tena nampalaza azy ihany koa asa soratra lalina naneho endrin-tanan’i Russie sy ny tantarany. Hita taratra tamin’ny asany ny fitiavany an’i Grèce sy Rome fahiny izay nohalalininy nandritra ny androm-piainany.

Anisan’ny asa sorany tena nisongadina kosa ny « Princess » sy « Bringhilda ».

Laisser un commentaire