ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Lasa fanahazana vary ny lalan’ny mpandeha tongotra

Fotoan’ny fiakaran’ny vary amin’izao fotoana izao, ho an’ny tantsaha malagasy. Ao anatin’izany indrindra, mbola maro ireo mponina mivelona amin’ny voly vary ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Tranga miseho amin’izao fotoana anefa, eny amin’ny lalan’ny mpandeha tongotra, amoron’arabe ireo mponina no manaha vary.

« Anisan’ny sady manery lalana no tsy manaraka ny fenitra sy ny lalàna ny tranga tahaka izao, mijaly ireo mpampiasa. Mila handraisan’ny tomponandraikitra fepetra ihany satria zary lasa gaboraraka ihany ny tanàna raha ekena hatrany ny tahaka izao » hoy i Zoly, mpampiasa ny lalana.

« Maro ihany ireo tranga tahaka izao hita eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Izao moa dia anisan’ny toe-tsaina mampiavaka ny malagasy izay tia manatsotra ny fiainana kanefa tsy mitsinjo ny hafa. Mila jeren’ny tomponandraikitra ihany » hoy i Tefy, mponina ao Sabotsy Namehana.

Ny lalana dia natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra, ny tokotany malalaka kosa no fanahazana ny vary. Ilaina ny fifampifehezana sy ny fitaizana eny amin’ny fiaraha-monina satria ny vahoaka hendry sy manara-dalàna no afaka mampandroso.

Manitra R.

Laisser un commentaire