France : Mpiambina zaza iray no nanolana zaza 4 taona
Zazalahy kely 4 taona monina ao Bourgoin-Jallieu, Isère no nanazava tamin’ny ray aman-dreniny fa niharan’ny fanolanana nataon’ny mpiambina azy. Araka ny maha zaza azy dia tsy nahalala io ankizy io fa herisetra ara-nofo ny nianjady taminy ary tamin’ny fomba tsy manan-tsiny tanteraka no nitantarany ny nahazo azy tamin’ny ray aman-dreniny.
Avy hatrany dia nitory ireto farany ary fantatra fa efa voasambotra noho ny fahatratrana sary « pédopornographique » io lehilahy 41 taona mpiambina ilay zaza io tamin’ny taona 2012. Tao amin’ny tambajotra iray kosa no nitono-tena ho mpiambina zaza efa za-draharaha sy matihanina ary nandranto traikefa tao Isère sy Rhône io lehilahy io. Tao no nahitan’ireo ray aman-drenin’ny zaza azy ary maro tokoa ireo ankizy efa nohambenana izay mahatratra 200 isa.
Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana io lehilahy nahavanon-doza io ary efa manokatra fanadihadiana ireo tompon’andraikitra raha misy tamin’ireo ankizy hafa nohambenana efa niharain’ny herisetra ara-nofo nataony ihany koa.
