Antananarivo Renivohitra: Hiditra amin’ny findramam-bola faharoa amin’ny PIAA
Dépêche 17 mai, 14h, Nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena ny findramana vola amin’ny alalan’ny PIAA 2, izany dia entina hanajariana ny tanànan’Antananarivo. Mitentina 53 tapitrisa Euro ity PIAA andiany faharoa ity. Ny 35 tapitrisa vola indramina amin’ny « Agence Française de Développement » (AFD) ; ny 8 tapitrisa fanomezana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ary ny 10 tapitrisa avy amin’ny Fanajakana malagasy. Miisa telo ny asa lehibe ho tanterahina amin’izany. Tafiditra amin’izany ny Fanavaozana ny ao ambanin’ny « ovoïde » Analakely, fanangonana sy famoahana rano manodidina ny farihin’Anosy ary ny fanatsarana ny tambajotra fanarian-drano eo amin’ny kianja sy ny manodidina ny faritr’i Mahamasina
