Fetin’ny Noely : Efa manomboka hita taratra manerana ny renivohitra ny fety
Dépêche 29 novembre, 14h30, Efa akaiky ny fetin’ny Noely ho an’ireo kristianina, sy ny fetin’ny faran’ny taona. Tsy ampy iray volana akory sisa dia efa ho tonga izany. Efa miditra tsikelikely amin’ny tontolon’ny fety ihany koa ny teorana maro eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao. Toy ny ao amin’ny toeram-pivarotana La City Ivandry izay efa ahitana ireny karazana haingo mamirapiratra ireny ny toerana. Efa maro ihany koa ireo hetsika nomanina hankalazana ireny fety ireny ao an-toerana. Haharitra iray volana mahery moa no hahafahana misitraka izany haingo mahafinaritra izany.
