Comores : Nahazo fanohanana ara-bola hiadiana amin’ny fanavakavahana ny nosy
Tonga tao Moroni ny lehiben’ny biraon’ny vondrona eropeanina, Pierre Bezize. Nanao sonia tetikasa miompana amin’ny fampiroboroboana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny tovovavy niaraka tamin’ny solotenan’ny delegasion’ny vokovoko mena frantsay ao Comores, Gérard Lautérdou izy nandritra io fandehanany tao an-toerana io.
« Fanatsarana ny filaminan’ (bien-être) ny tanora sy ny vehivavy, amin’ny fisorohana sy fiatrehana ny herisetra, amin’ny alalan’ny fandraisany anjara eo anivon’ny vondrom-piarahamonina ao Comores » no lohatenin’io tetikasa io. Marihina fa notohanan’ny Union Européenne vola 300 tapitrisa izany. Hanampiana ireo « clubs des mères » rehetra ao amin’ny vondronosy kosa io vola io, entina hamatsiana ny hetsika rehetra miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy ao an-toerana.
