Ambohimanga Rova : Tontosa soa aman-tsara ny fambolen-kazo nataon’ireo zanak’Ambohimanga rova
Tamin’ny sabotsy 25 Martsa teo no nanatanterahan’ny zanak’Ambohimanga rova ny fiaraha-mientana tamin’ny fambolen-kazo teny an-toerana. Tonga maro ireo taranaka nanatanteraka adidy teny an-toerana, araka ny voalaza.
«Adidy amin’ny tanindrazana no sady fikoloana ny tanàna ny hetsika tahaka izao. Hisaorana ireo rehetra tonga maro niara-nisalahy ho fanomezana lanja ny tany niaviana sy fikoloana ny tontolo iainana » hoy i Miorintsoa, teraka avy ao Ambohimanga rova.
« Zava-dehibe ny fiaraha-mientana tahaka izao, indrindra amin’ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana. Entanina anefa ny tsirairay ao anatin’izany mba samy ho sarotiny sy hanara-maso ireo ezaka natao mba tsy ho very maina ny fotoana toy izao » hoy ireo tomponandraiki-pahefana avy ao Ambohimanga Rova.
Ankoatra ny fiaraha-mientana tamin’ny fanaovana adidy ho an’ny tanindrazana, dia fotoana iray niaraha-mifaly ho an’ny zanak’Ambohimangarova ihany koa ity fotoana ity, izay nanatanterahana ny fifampiarahabana nahatratrarana ny taom-baovao. Nanatrika izany ihany koa moa ireo manam-pahefana teny an-toerana.
Manitra R.
