Ankadikely Ilafy: Efa nanomboka ny fampiofanana ho fanatsarana ny seha-pihariana fiompiana
Ny fiompiana bitro nohatsaraina no nentina nanombohana ny fampiofanana izay karakarain’ny kaominina Ankadikely-llafy sy ny « Centre de Formation Agricole Aïna, Enfance et Avenir » Antanandrano, tamin’ny herinandro lasa iny. Ho fanatsarana ny seha-pivelomana fambolena no antony nanomezana izany fiofanana maimaim-poana izany, ho an’ireo mponina. Afa-po ireo mpiofana, araka ny voalaza, ary nahazo fahalalana araka izay nandrasany.
“Izao no natao dia ho fitadiavana lalam-pihariana mahomby sy ho fanatsaràna ny fidiram-bolan’ireo mpiompy eto amin’ny kaominina. Izao hetsika izao dia tafiditra indrindra amin’ny vinan’asa fahadimin’ny ben’ny tanàna, amin’ny fampiroboroboana ny seha-pambolena sy fiompiana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Ny fiompiana akoho fakana nofo, izay hatao ny 19 oktobra, ny fiompiana akoho manatody lava ny alarobia 09 novambra ary ny fiompiana kisoa hatavezina na hampiterahana, izay atao ny faha 23 ny volana novambra 2022, ireo no tetiandro manaraka ho an’ny fampiofanana izay mamaim-poana hatrany. Hatao ao biraon’ny kaominina ihany.” hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.
Anisan’ny sehatra mampidi-bola ary afaka hivelaran’ny tanora amin’ny resaka fandraharahana ny fiompiana. Ilaina araka izany ny manaraka fiofanana mba hahaizana ireo teknika mampahomby sy mampivelatra eo amin’ny sehatry ny fiompiana.
Manitra Ramanantsoa
