ActualitésTsidika

Alasora: Tapaka tanteraka ny lalana hatramin’ny 26 Martsa

Tapaka tanteraka ny lalana eny amin’ny RNS 63 Shell By-pass Ankadiaivo, Alasora, sy Ankadimbahoaka, nanomboka ny zoma teo. Misy ny fanamboarana ny lalana ataon’ny tomponandraikitra eny an-toerana ka haharitra hatramin’ny alahady 26 Martsa izany fahatapahana izany, arak any voalaza.

“ Ao anatin’ny ezaka fanarenana ireo lalana simba izay miteraka ny fitohanana lavareny isan’andro ety an-toerana no nahatonga ny fanapahan-kevitra amin’izao fahatapahan-dalana izao. Hanentanana ny mpampiasa ny lalana mba hanana faharetana ary hanaraka ny fandaminana ao anatin’izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra ao Alasora.

“ Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra amin’ny fanamboaran-dalana fa amin’ny lafiny iray hafa tokony nasiana fandaminana ihany eo amin’ny fampiasana ny lalana amin’ny ampahany satria maro ireo mivezivezy mampiasa ity lalana ity, tokony hifanamboarana ny fotoana afaka hampiasana azy” hoy I Fanantenana, mpianatra.

Nihatra nanomboka ny zoma teo moa ity fahatapahan-dalana tanteraka eny an-toerana ity. Ankoatra ny ao Alasora dia maro ihany koa ireo lalana simba hasiam-panamboarana amin’izao fotoana izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire