Seychelles : Nofoanana ny fitakiana fanamarinana fahavitam-baksiny ho an’ny mpitsidika
Tsy mila mitondra taratasy fanamarinana fahavitam-baksiny fanefitrin’ny covid-19 na valin’ny fitiliana PCR miiba intsony ireo mpitsidika ho ao Seychelles manomboka rahampitso 1 desambra raha ny tatitry ny Seychelles News Agency. Fampitana avy any amin’ny ministeran’ny fahasalamana izany raha ny fanamasisan’izy ireo.
Raha ny fepetra napetraka kosa nefa dia tsy maintsy manana « permis d’occupation rémunérée (GOP) » avokoa ireo mpitsidika na zanatany tonga ao an-toerana. Mila mameno fanomezan-dalana hitsidika ny toerana ao amin’ny « système électronique » ny sisintanin’i Seychelles ihany koa izy ireo ary manana mpiatoka ara-pahasalamana sy « assurance voyage ».
