ActualitésTsidika

Ambohimalaza: Hisy ny fikorontanana amin’ny famatsian-drano

Nandefa filazana mahakasika ny fikorotanana sy ny fahatapahan-drano mandritra ny roa volana ho an’ireo mponina voakasik’izany ao amin’ny kaominina Ambohimalaza Miray ireo tompon’andraikitra misahana izany ny fiatombohan’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, efa nisy ny fandaminan’asa niarahan’ny orinasa Fermier Andranonandriana nidinika tamin’ny ministera misahana ny rano sy ny kaominina ary ny fokontany ao an-toerana.

« Ho fanatsarana ny famatsian-drano eto amin’ny kaominina no anton’ny fanamboara izany, izay hangatahana fiaraha-miasa sy faharetana avy amin’ny mponina. Haharitra roa volana izany fanamboarana izany ary hiteraka fikorontanana sy fahatapahana matetika eo amin’ny famatsian-drano » hoy ireo tomponandraikitra.

« Olana efa sedrain’ny mponina amin’ny fokontany samihafa eto amin’ny kaominina ny tsy fisiana rano. Ho an’ny ao Ambatofotsy izao, efa herinandro no tsy nisy rano ary efa am-bolana maro ho an’ny fokontany hafa. Izany no hangatahana vahaolana malaky amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny » hoy i Noely, tompon’andraikitra amin’ny fokontany.

Anisan’ny fepetra tokony ho raisin’ny tomponandraikitra manoloana ny zava-misy tahaka izao ny fametrahana vahaolana ho an’ny mponina. Aina mamelona ny rano ka raha izany tokoa no hitohy tsy misy indrindra ho an’ireo fokontany hafa, maro ny olana mety hitranga.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire