Sidina fampodiana ireo Malagasy any ivelany : Miisa 1 500 ireo mpandeha
Miisa 1500 ireo mpandeha voamarina fa handeha amin’ny sidina manokana hampodiana ireo teratany Malagasy tavela any ivelany araka ny notaterin’ny Air Madagascar izay mikakaraka izany. Dimy ireo sidina ho tanterahina raha toa ka efatra izany tamin’ny voalohany, ny sidina iray dia hitondrana mpandeha eo amin’ny 300.
Hianga avy ao Paris ny 19 Aogositra 2021, ary ireo sidina efatra farany dia ho tanterahina ny 22 Aogositra – 28 Aogositra – 11 Aseptambra – 19 Septambra 2021. Miantso ireo mpandeha amin’izany sidina izany ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar hiantso azy ireo avy hatrany amin’ny fanamarinana farany ny famandrihana toerana nataon’ireo mpandeha. « Tokony hividy ireo tapakilany ireo mpandeha » hoy ny mpikarakara. Maro amin’ireo olona ireo no mbola tsy nividy izany.
Etsy andaniny, efa vonona sahady ihany koa ireo hotely sy toerana hanaovan’ireto mpandeha 1500 ireto fihibohana amin’ny fahatongavany. Miisa dimy ireo hotely sy toerana nahazo alalana hanatanterahin’ireo mpandeha avy any ivelany izany fihibohana izany. Saika ireo hotely fandraisam-bahiny eto andrenivohitra no afaka hampiantrano ireto mpandeha ireto, anisan’izany ny Akoa ao Ivandry, ny Carlton Anosy, ny Centell Antanimena, ny Central Hotel Tsaralalàna, Fly-inn Ivato, Ibis Akorondrano, Le Louvre Antanimena, le Motel d’Antananarivo Anosy, le Palissandre Mandrosoa Ambohijatovo, le relais des plateau Talamaty, Sakamanga Ampasamadinika, Tamboho hotel Ambodivona ary ny Compplexe Cnaps Vontovorona.
« Natao maro isankarazany mihintsy ireo hotely fandraisam-bahiny hahafahany ireo mpandeha manana safidy ny amin’izay hanatanterahiny ny fitokana-monina » hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray avy eo amin’ny masoivoho ny raharaham-bahiny.
45 000 Ariary hatramin’ny 855 000 Ariary eo ny saran’izany fivahinihanana ao amin’ireo hotely ireo. Haharitra dimy andro ny fihibohana ho tanterahin’ireto mpandeha avy any ivelany ireto, ary tsy ho afaka mivoaka ny toerana misy azy izy ireo raha tsy vita fitiliana PCR miiba. Na dia ho entitra ary ny fanaraha-maso ireo olona hanatanteraka ny fihibohana dia mbola mipetraka hatrany anefa ny fanahian’ny maro ny amin’ny mety hitondran’ireto mpandeha 1500 ny aretina variant Delta eto Madagasikara.
Sitraka Rajaonarivony
