Fihaonan’ny fikambanan’ny vehivavy ao amin’ny antoko TIM
Miarakaraka fihaonana ny sabotsy 21 aogositra ho avy izao ny vehivavy ao amin’ny antoko TIM etsy amin’ny Magro Behoririka izay manomboka ampin’ny 9 ora maraina.
Hetsika fialam-boly ity hetsika ho karakarain’izy ireto ity izany hoe tsy misy resaka politika na ambadika politika kanefa nanasa ireo mpikambana ao amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) sy mpikambana amin’ny antoko izy ireo ary nanasa ny olon-tsotra izay maniry ny hanatrika ity hetsika fialam-boly izay ho karakarain’izty ireo ity.
Hoy ny mpanao politika iray : « Tsy dia azoko tsara ny tena anton’ity hetsika ity raha amiko manokana, milaza fa hetsika fialamboly nefa toa misy ny RMDM indray hasaina. Tsy fantatra na resaka politika na fandotoana olona fotsiny ny atao ao dia lazaina fa fialamboly nefa tsy vao ela akory no nanao fankalazana ». Ny mpikambana iray kosa nanamarina fa tena hetsika fialamboly tokoa no hatao amin’io sabotsy io fa tsy misy ambadika politika na kely aza ary hanasana ny olona rehetra eny fa na dia olon-tsotra aza ary manentana ny olona ho tonga maro amin’io hetsika io fa tsy diso fanantenana.
Tato ho ato izay dia nanao hetsika foana ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra ny fitondrana tsy hay mazava izay tena tian’ny antoko ahatongavana fa milaza ny mitaky ny marina sy ny demokrasia foana no ambetin-tenin’izy ireo. Ny tena tokony ataon’izy ireo anefa raha mitady tokoa ny fampandrosoana ny firenena izy ireo ny manampy ny fitondrana amin’izay hitan’izy ireo fa vitany fa tsy faly ny hifanenjika foana sy hanaratsy ary hanoso-potaka ny hafa foana.
Anja Raharimalala
