ActualitésTsidika

Taranja lomano : Mbola tsy fantatra hatramin’izao ny ekipa handrafitra ny lalaon’ny Nosy

Nanambara ny avy eo anivon’ny Federasiona Malagasy ny taranja lomano fa ho fantatra atsy ho atsy ny anaran’ireo solontena amin’ny lalaon’ny nosy. Raha ny marimarina kokoa dia ny 10 jolay ho avy izao no hanatanterahana ny fifantenana farany. Aorian’izany no hivoahan’ny lisitra farany.

« Hanatanteraka lalao farany ny Federasiona atsy ho atsy ahafahana mifantina ireo mpilalao mendrika amin’io lalaon’ny Nosy io. Tsy moramora ny mikaroka ny mpilalao tena antenaina handrombaka medaly maro izany ka tsy maintsy hatao matihanina ny fifantenana. Aorian’izany dia hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny lisitra », hoy ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, Filohan’ny Federasiona Malagasin’ny lomano.

« Mbola mikotrana araka ny fahafahany izahay amin’izao fotoana izao na ho voafantina na tsia aloha. Hatreto dia mbola tsy nisy ny fanampiana anay ka miantoka ny tenanay manokana foana izahay. Manomboka mangatsiaka anefa ny rano ka efa somary tsy dia afaka mikotrana be intsony. Indraindray ihany koa tsy ho voafantina kanefa tiana ilay taranja dia tsy maintsy miaritra sy miomana foana », hoy ny solontenan’ireo mpilalao.

Ny taranja lomano ankoatra ny atletisma no ahafahana mandrombaka medaly betsaka indrindra ka mety hahasoa kokoa raha tohanana hatramin’ny farany. Mbola tsy nistangamenatra rahateo ihany koa ny Malagasy tamin’ity taranja ity ka antenaina hatrany. Miandry ny fivoahan’ny lisitra araka izany ny mpikatroka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire