La Réunion : Hisy fihenany ny vidin’ny solika manomboka ny voalohan’ny volana jona izao
Nanao fanambarana ny prefektiora tao La Réunion fa hisy fihenany ny vidin’ny solika ao an-toerana manomboka ny 1 jona izao. Hiena 9 centimes ny vidin’ny « super sans palomb » ary hilatsaka 9 centimes ny sandan’ny « gazole ». Ny vidin’ny tavoahangy entona fandrehatra kosa no nohazonina ho 15 euros.
Maro kosa no nitarikaio fidianan’ny vidin’ny solika io raha ny fanazavana. Isan’izany ny fihenan’ny fangatahana tao Asie manoloana ny fety ny Aïd ny volana may teo. Tetsy ankilany kosa nefa dia nitarika ny fihenan’ny vidin’ny solika eran-tany ny fiakaran’ny tahirin’i Amérique. Ny volana may teo dia nidina ny sandan’ny solika eran-tany, nilatsaka – 12,22 % ny « sans-plomb » ary – 10,94 % ny « gazole ».
