ActualitésTatitra

OMS : Mila miomana amin’ny aretina mafy noho Covid-19 isika

Mila miomana amin’ny aretina mafy noho Covid-19 isika hoy ny tale jeneraly ny OMS, Tedros Adhanom. Mananontanona ve ny valan’aretina vaovao? Tsy namaly io fanontaniana io i Tedros Adhanom saingy nilaza ny tenany fa misy ny « agent pathogène » mbola mandripaka sy mandoza noho ny Covid-19. 

Nandritra ny fanolorana paikady vaovao iraisam-pirenena hamaritana haingana ny « agent pathogène » mety hampidi-doza io tompon’andraikitra io no nanao izany fanambarana izany. Tsy azo ferana hoy izy ny fisian’ny valan’aretina vaovao ary efa manaramaso akaiky io « maladie X » izy ireo. Raha tsiahivina dia ny « virus hypothétique » antsoina hoe « clade X » no mitarika io aretina io.

Laisser un commentaire