ActualitésTatitra

Ecosse : Zazavavy kely maty noho ny aretin’an-doha

Zazavavy kely 7 taona i Theia McKie. Maty tao an-tranony ny alarobia teo izy rehefa avy notsaboina tao amin’ny hopitaly Dumfries & Galloway Royal Infirmary ny alatsinainy teo noho ny aretin’an-doha tsy fatam-piaviana.Nijanona iray alina tao amin’ny hopitaly izy raha ny fanazavan’ny fianakaviany ary nalefa nody ny ampitso saingy niombo ny aretina vao tonga tao an-tranony izy ka izao nitarika ny fahafatesany izao. Aretin’andoha tsotra nefa no nolazan’ireo dokotera nahazo azy hoy ny reniny Tracey. « Mihikiaka noho ny fanaintainana ny tenany, vao maika narary azy izany hoy izy rehefa taratry ny hazavana izy ary mbola nandoa ihany koa aza i Theia » hoy ny reniny.

Laisser un commentaire