Allemagne : Ny famparahan-dalàna ny rongony no fepetra voalohany noraisan’ny governemanta vaovao
Roa volana tao aorian’ny fifidianana mpanoa lalàna no tafapetraka ny governemanta vaovaon’i Allemagne. Ny antoko maintso izay miaro ny tontolo iainana antsoina hoe « les Verts » sy ny libelarista na « Jaune » ary ny demokraty sosialy na « Rouge » no miaraha-miombon’antoka ao amin’io fitondrana io izay tarihin’i Olaf Scholz.Ny famparahan-dalàna ny rongony no fepetra voalohany noraisan’izy ireo. Raha tsiahivina dia efa ara-dalàna tao an-toerana ny fandraisana izany nanomboka ny taona 2017 raha manana antony ara-pahasalamana. Namoaka fifanarahana kosa ireo tompon’andraikitra fa hisy fizarana izany voaharamaso ho amina tsena nahazo alanana ary ho an’ny olon-dehibe ihany.
