France : Nahazo sazy mihantona herintaona i Karim Benzema
Voaheloka nanampy olona efatra nandrahona an’i Mathieu Valbuena noho ny horonantsary mamoafadin’ity farany na « sextape » i Karim Benzema. Nivoaka ny 24 novambra teo ny didim-pitsarana ary niaiky heloka ity mpilalao kitra malaza izy nandritra ny fitsarana azy raha ny fanazavana.Tapaka tao amin’io fitsaran’i Versailles io fa higadra iray taona sazy miantona i Karim Benzema ary handoa lamandy 75 000 euros (340 tapitrisa Ar).
