ActualitésTatitra

Suède : Nametra-pialana sahady i Magdalena Andersson

I Magdalena Andersson no vehivavy voalohany hitantanana an’I Suède. Voafidin’ny parlemanta ho praiministra izy ny alarobia teo rehefa nanao sarotra nandritra ny roa herinandro ny fifanarahana.Ministry ny fitantanam-bola ity vehivavy 54 taona ity teo aloha. Ny fanohanan-dry zareo ao ankavia azy no nahalany azy tamin’ny ora farany. Very kosa ny fanohanan-dry zareo avy ao afovoany azy raha ny fanazavana, izay tena mpanohana azy, ka nampametra-pialàna azy sahady.Adiny valo monja izy no praiministra tao Suède.

Laisser un commentaire