Nosamborina ireo ray aman-dreny nandoro ny zanany tamin’ny kitay
26 Novambra, 08h10. Zaza efa-taona no nodoran’ny rainy sy ny renikeliny tamin’ny kitay. Ny rainy nitazona azy ny renikely no nandoro ity zaza 4 taona ity raha ny fanazavana. Ireo manodidina kosa no nampandre ny mpitandro ny filaminana ka tonga nisambotra ireto mpivady ireto avy hatrany izy ireo ary ho atolotra ny fampanoavana. Ditran’ilay zaza kosa hoy izy ireo rehefa natao ny fanadihadiana no antony io fahamaizana natao tamin’ny zaza io. Izy moa dia efa noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tànana.
