Kolontsaina : Notolorana mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina i Do B
25 Septembre 2023, Notoloran’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina i Do B, izay tanora vao erotrerony, kanefa manana ny lazany maneran-tany ary matihanina momba ny kolontsaina famoronana feon-kira amin’ny vava. Raha tsiahivina, nandray anjara tamin’ny fifaninanana maneran-tany tamin’ny “Beatbox Battle World Championsip”, izay natao tany Allemagne izy ary nibata ny laharana voalohany tamin’izany.
