Mitsidika ny fifamoivoizana : Misisika bus isika sa milahatra ?
Tahaka ny fanaovana kolikoly ihany, zary efa lasa kolontsain’Antananarivo ny misisika bus. Mety hilaza isika hoe « normal izany, izay tsy misisika dia tsy tafiditra ». Inona no vokatr’io misisika io ? Rehefa misisika bus dia izay mafy be foana no tafiditra aloha, izay be sandry sy be ranjo ihany no tafiditra aloha, na iza na iza no tonga aloha teo amin’ny fiantsonana. Fantatsika izany, saingy mody fanina daholo isika rehetra. Samy tara, tsinona, na samy maika hody.
Safidintsika ihany anefa ny handamina io fitaterana io, na hilahatra isika, na hisisika. Tiantsika hilamina sy hirindra ny fifamoivoizana. Tiantsika hiova ny fanaon’ny hafa. Fa isika kosa malaina ny hanova ny fanaontsika.
Dia hilaza isika avy eo hoe « jereo ny fisisihana métro sy RER any France ». Fa angaha moa tsy maintsy alain-tahaka daholo izao hagaigin’ny vazaha rehetra izao ? Ny zavatra tsara any aminy no alain-tahaka, fa tsy izao tsy fahalalam-pomba rehetra izao.
Azo atao tsara ny milahatra. Azo atao tsara ny mifandamina. Azo atao tsara ny mifanampy. Sady mampihena ny stress izany no fahalalam-pomba sy fanajana ny hafa ihany koa, ary fomba iray hampisehoana ny fihavanana, izay mahasarotiny antsika Malagasy.
Eny, na dia eny amin’ny toeram-pivarotana koa aza, tsy mahafaty ny miteny hoe « izy no tonga talohako ».
Manitra Ramanantsoa
