Famokarana : Mitombo ny vokatra kabaro any amin’ny faritra Menabe
Toerana iray mbola ahitana mpamboly betsaka iny faritra andrefana iny to an’ny Menabe. Maro karazana ireo vokatra azo hambolena any. Mbola ny mamaritra ny vokatra vokarin’ny mponina any amin’ny faritra Menabe anefa hatreto dia ny famokarana kabaro. Voamaina iray mitondra singa manatsara fahasalamana sady mampitombo ny kaloria ilain’ny vatana. Izany no midika fa ilaina izany famokarana izany. Nitombo ny vokatra azo tamin’ity taona ity raha nihaotra ny tamin’ny herintaona. Antony maro ihany koa no nahatonga izany fitomboan’ny vokatra izany.
« Nahatratra hatramin’ny 1,2 taonina isaky ny hektara ny vokatra kabaro tamin’ity taona ity raha 0,99 taonina izany tamin’ny taona lasa. Mirefy 2 992 ha ny tany novolena ka ny vokatra azo dia 3 720taonina. Nitombo araka izany ny vokatra. Mbola be mpitia izany kabaro izany, kalitao tsara ihany koa no vokarina eto », hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana.
« Nisy ezaka natao anefa vao nahatratra izany tanjona izany. Tao ny fanovana ireo masomboly. Nozaraina ilay masomboly manara-penitra ny mpamboly. Nampiana ihany koa izy ireo tamin’ny fampiofanana entiny hambolena », hoy kosa ireo teknisianina ao amin’ny Ministeran’ny fambolena.
Raha zohiana ny zava-misy eto Madagasikara dia mbola tsy afa-miala amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny Malagasy maro. Manamafy izany ihany koa i Joseph, mpamboly : « Ny asa sarotra vao hita, ny fari-pahaizana ihany koa mitondra an’izany. Ny tany anefa mbola malalaka ka tsy aleo ve mamboly. Azahoana vokatra tsar any mifofotra amin’ny fambolena sy ny fiompiana izany », hoy izy nanazava.
Tsy misy asa ratsy, ilaina ny mpamboly satria raha tsy misy azy ireny dia sahirana ny olona, tsy manan-kohanina. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiaianan’ny Malagasy maro izany fambolena ziany ka tokony hampiana na ara-pitaovana na ara-bola mba hahafahany mampiakatra ny vokany.
Miora Raharisolo
