Italie : Lasibatry ny fanafiahana tamin’ny antsy i Pablo Mari
Mpilalao baolina kitran’ny Monza hindramin’ny Arsenal FC i Pablo Mari. Lasibatrin’ny fanafiahana tamin’ny antsy niaraka tamin’ny olona efatra hafa tao amin’ny tranom-barotra Carrefour iray tsy lavitr’i Milan izy ny 27 oktobra teo. Olona efatra izy ireo no naratra ary olona iray mpiasan’ny tranom-barotra kosa no namoy ny ainy.
Tsy ahatahorana ny ratran’i Pablo Mari hoy kosa ny « agent »-ny. Efa voasambotra kosa ilay lehilahy nahavanon-doza tao amin’ny tranom-barotra. Teratany italianina 46 taona izy io ary manana olona ara-tsaina raha ny tatitra. Nanaraka fitsaboana nohon’ny fahaketrahana io lehilahy io raha ny voalazan’ny manam-pahefana.
