ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Niampy 5 indray ny Polisy kaominaly ao Alasora

Nitombo indray ny polisy kaominaly ao Alasora. Mitohy hatrany ezaka ho amin’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto Avaradrano.

« Miisa enina ireo polisy kaominaly vaovao voaray taorian’ny fanadinana fifaninanana. Sady manampy ny mponina hanana asa ity no hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny Kaominina » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Tena mety tokoa ny tahaka izao. Mila Polisy tokoa ny tanàna hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsara raha mandroso amin’ny fandrosoana maharitra hatrany isika eto Alasora » hoy i Rado, mponina ao Alasora.

Tsara ihany koa raha manohana sy miara-miasa hatrany amin’ny mpitandro filaminana ny vahoaka ho entina hampandrosoana ny firenena. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpitondra ny tanàna, ary arahina tohana avy amin’ny vahoaka izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire