Ambohimangakely : Asa famoronana ny « Ferronnerie d’Art » atao ao amin’ny BTC
Ny fanaovana sary no tena fototry ny asa fanaovana vy satria asa famoronana ny « ferronnerie d’art ». Mbola mitohy ny fandraisana ny anaran’ireo izay liana te hianatra ny taovy ao amin’ny BTC Ambohimangakely.
« Ny mpanao vy no mamolavola sy manamboatra asa vita amin’ny vy, varahina, na firaka, natao ho an’ny haingon-trano anatiny. Tena ilaina tokoa io asa io ary betsaka no mila azy » hoy i Avotra, mpikirakira tao vy. Na famoronana amin’izao fotoana izao, kopia na famerenana amin’ny laoniny ny maodely taloha, ny mpanao vy dia manambatra ny fahatsapana ara-javakanto sy ny fahalalana tsara momba ny famolavolana. Ny mpanao vy dia mety ho mpiasa na mpanao asa tanana. Afaka manana ny orinasa ny manokana izy. Izay rahateo no tanjonay » hoy i Tata, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny BTC Ambohimangakely.
Fotoana izao hianarana ireo fiofanana maro hita ao main’ny BTC. Fiofanana mifandraika indrindra amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora.
Nicole Rafalimananjara
