Ambohitrarahaba : Hahazo toerana fanariam-pako
Efa natomboka ny asa fanamboarana ny toerana fanariam-pako ao Ambohitrarahaba, ao anatin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Ho vita tsy ho ela izay asa izany, ary hisitraka izany avokoa ny mponina ao an-toerana. »Mampilaza sahady ny mety hisian’ny fanelingelenana kely izahay noho izany fanamboarana izany, izay mikendry hatrany ny hampandrosoana ny tanantsika » hoy ny tompon’andraikitra ao Ankadikely Ilafy. « Ny tanàna madio tokoa no antoky ny famapndrosoana. Raha madio ny manodidina dia afaka miaina sy mivelona am-pilaminana ny mponina ao aminy » hoy i Rajo Randria, manam-pahaizana manokana mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana. »Tena ilaina eto amin’ny fokontany Ambohitrarahaba mihitsy izany. Tena hadio amin’izay ny tanàna, saingy mila fanentanana hatrany ny mponina mba hanary ny fakony eny amin’ny toerana voatokana » hoy i Lanto, mponina ao Ambohitrarahaba. Mitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny fahadiovana.Tompon’andraikitra isika rehetra, indrindra amin’ny fanajana ireny fananana iombonana ireny. Zava-poana ny fanariam-pako raha tsy hanariana fako, ary tsy misy dikany izany raha mbola minia manary fako eny an-dalambe ny mponina.
Nicole Rafalimananjara
