Fanabeazana : Mijaly ny zanak’Ambahikily amin’ny resaka fotodrafitr’asa
Lazaina ombieny ombieny fa ny fanabeazana no vahaolana hialantsika amin’izao fahantrana izao, saingy mbola betsaka ny fianarana tsy zarizary any ho any. Mavitrika ny mpianatra saingy na ny seza ipetrahany aza tsy misy tahaka ny sekoly ao Ambahikily, Morombe. »Toy ny miasa irery izahay amin’ny fanabeazana ny ankizy satria dia sahala amin’ny tany lavitra Andriana ka tsy misy mijery akory ny fasahiranana mianjady. Na eo amin’ny lafiny foto-drafitr’asa izany na eo amin’ny lafiny fampitaovana dia mbola misedra fahasahiranana tanteraka » hoy ny mpampianatra any an-toerana. « Taona maro izay, mbola mipetraka amin’ny tany ireo mpianatra amin’ny sekoly CEG any an-toerana. Manginy fotsiny ny fahalotoana ateraky ny fihosonam-bovoka. Ho an’ny sekoly CEG ihany io voalaza io, fa mbola tsy voaresaka ny an’ny sekoly EPP » hoy i Koly, mponina any Ambahikily. »Tsy tokony ho atao tsinotsinona ny fanabeazana ny mpianatra Malagasy satria izy ireny no andrin’ny firenena, manana zo hianatra ara-dalàna ny ankizy tsirairay » hoy ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra. Mbola tsy vita hatramin’izao ny tafon’ny lycée izay nakopaky ny rivo-mahery tamin’ny taon-dasa any an-toerana, kanefa tsy manana fahafahana ny mponina eny ifotony hanangana izany. Manantena ny fanjakana foibe izy ireo.Mianatra amin’ny sekoly tsy misy tafo ireo mpianatra, miaritra amin’ny hafanana be. Iaraha-mahalala anefa fa ambony dia ambony ny tahan’ny mari-pana eto amintsika ary tsy ho ela dia hiditra amin’ny vanim-potoana ny rivo-doza ihany koa. Hanao ahoana ny fiatrehan’ireo mpianatra izany amin’ireo vanim-potoana ireo ?
Nicole Rafalimananjara
