Anjeva Gara : Nahazo toho-drano ireo tantsaha ao Ampahimasina
Nisy ny fandraisana ofisialy ny toho-drano namboarina ao amin’ny Fokontany Ampahimasina, Anjeva Gara, izay manondraka velaran-tany maherin’ny 30 ha. Faly ny mpamboly fa na dia maina aza ny andro dia mahazo rano tsara ny fambolena.“zEfa ela mihitsy no nanirianay ny hisian’ny toho-drano tahaka izao ka tonga izy ity ka tena isaorana indrindra, tena ilaina tokoa satri any rano amin’izao efa tsy misy ka simba ny voly ka manampy be izany » hoy i Charlotte, mponina ao Ampahimasina, Anjeva Gara. « Hita, ary voaray, ireo fitarainana avy amin’ny mponina mikasika ny fahamainan’ny tany ka mampihena ny vokatra miakatra, ary isaorana indrindra ny orinasa GIZ amin’ny famatsiam-bola » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. »Tena ilaina amin’ny fambolena ny rano, isika irery angamba tena mahalala izany, ary ny tantsaha no tena mijaly indrindra rehefa tsy misy ny rano satria tsy afaka mamboly ara-dalàna izy » hoy i Renaud, mpianatra mikasika ny fambolena sy fiompiana. Miainga amin’ny fampandrosoana ny tantsaha tokoa ny fampandrosoana ny firenena ka ny oloan’ny tantsaha no tena tokony hovahana voalohany. Tsikaritra anefa fa miompana kokoa main’ny fanatontoloana ny fampandrosoana iniana ampidirina eto, izay tsy mikasika indrindra ireo tantsaha, ka mahatsiaro tena ho irery izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
