ActualitésTsidika

Avaradrano : Nandehanan’ny Zandarimariam-pirenena ifotony mihitsy ny fandriam-pahalemana

Nisy ny fandehanana tety ifotony nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy teto Avaradrano ny 9 desambra 2021. Mikasika ny fandriam-pahalemana sy ny fitantanana ny filaminana amin’ny ankapobeny no noresahina nandritra izany. »Efa betsaka ihany izay fivoariana hitadiavm-bahaolana izany fa tsy hita ihany izay eo. Enga anie ka tena hamaha ny olana tokoa ity fitsidihana indray mandeha ity » hoy i Bako, mponina ao Viliahazo. « Tsy mitsahatra mitady vaholana mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena isika. Ny fitsidihana ifotony tahaka izao no manamora ny fitadiavana vahaolana » hoy ny avy eo amin’ny Zandarimariam-pirenena. « Isaorana indrindra ny finiavana amin’ny fandehanana ety ifotony tahaka izao fa tena mahasoa ny tanàna tokoa, ary tena ilaina tanteraka » hoy ny solotenam-panjakana ao Ambohimangakely.Betsaka tokoa ny fitarainana voarain’ny tompon’andraikitra mikasika ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny tao amin’ny Kaominina Alasora. Irariana mba hitondra vahaolana sy hampisy fanantenana ireo mponina eto tokoa izao fitsidihana tety ifotony izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire