ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hiavaka ny fankalazana ny fety amin’ity taona ity

Hiavaka ny fankalazana ny fetin’ny krismasy amin’ity taona ity raha ho an’ny Kaominina Ambohimanambola manokana. Manomboka ny 20 desambra dia hisy ny fifaninana isan-karazany toy ny Ludo King, Fandefasana horonantsary sy sary miaina, ny kilalaonjiro ary ny antokom-pihira mihira « a capella ». »Efa manomboka dieny izao ny fisoratana anarana ho an’izay te handray anjara amin’ny fifaninana ety amin’ny biraon’ny kaominina, varavarana 1 na ao amin’ny pejy facebook’ny kaominina » hoy ny solotenan’ny kaominina. « Olona roa no mandrafitra ny ekipa iray, ary tsy maintsy manana finday azo hilalaovana tsara ny ekipa iray ho an’ireo izay te hilalao amin’ny Ludo King izay manomboka ny 20 sy 21 desambra ny fifanintsanana voalohany ao amin’ny CEG Ambohibato » hoy ireo mpikarakara. « Tena hiavaka tokoa ity fety 2021 ity. Isaorana hatrany ny kaominina izay tsy mitsahatra manome fahafaham-po ho an’ny mponina » hoy i Liva, mponina ao Ambohimanambola.Samy manana ny fomba hanamarihany ny fetiny avy tokoa ny kaominina tsirairay ato amin’ny distrikan’Avaradrano, entina hampifalifaliana ny mponiny avy. Ilaina tokoa noho « manala azy » kely mba handraisana am-pifaliana ny taona vaovao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire