Valan-javaboary Tsimbazaza : Nisy ny fikaonan-doha nataon’ireo komity teknina sy siantifika manoloana ny trangan’aretina raboka amin’ireo sifaka
Manoloana ny fahitana ireo trangana raboka izay nahafaty ireo sifaka izay miisa 12 tao amin’ny valan-javaboary Tsimbazaza. Nandeha tao an-toerana ireo komity teknina sy siantifika avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony, ny tomponandraikitra avy amin’ny « Parc botanique et zoologique de Tsimbazaza » ary ny avy amin’ny fitaleavan’ny sampandraharan’ny dokotera mpitsabo biby, nijery sy nanao fizahana sy fitiliana ireo biby tao an-toerana.
« Tamin’ireo biby 56 notiliana dia fantatra fa 12 no mitondra ny aretina ka isan’ireny ireo 8 maty. Natokana avy hatrany izy ireo miampy ny biby hafa ireo izay nifanerasera amin’ireo biby narary mba ahafahana manamora ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana. Tsy nisy voakasiky ny tsimok’aretika kosa anefa ireo mpiasa ao amin’ny valanjaboary » hoy ireo tomponandraikitra nanatanteraka ny fizahana.
« Somary tara ihany ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo tomponandraikitra manoloana ny zava-misy. Efa ela ireo biby no nahitana soritr’aretina amin’ny raboka, tokony tamin’izay dia efa natao ny fitiliana » hoy i Elodie, mpirotsaka an-tsehatra mahakasika ny tontolo iainana.
Anisan’ny biby ahiana ho lany tamingana ny sifaka. Madagasikara dia anisan’ny firenena miavaka amin’ny fananana ireo harena voajanahary tsy fahita maneran-tany. Ilaina ny fiaraha-minetana mba hiarovana azy ireny. Indrindra amin’izao vanim-potoana mahasimba ny tontolo iainana izao, anjara andraikitry ny olombelona no miaro azy ireny, indrindra ny fonenany.
Manitra Ramanantsoa
