ActualitésTatitra

Afrique : Fennec, biby mampinono any amin’ny tany efitra

Karazana « renard » kely ao amin’ny fianakavian’ny « canidés » ny Fennec na Vulpes zerda. Antsoina ihany koa izy io hoe « renard des sables ». Marihana fa avy amin’ny teny arabo ny « fennec » izay midika hoe « renard ». Ao amin’ny efitry ny Sahara sy ny « péninsule » ny Sinaï ao Egypte kosa no ahitana io biby io.

Karazana kely indrindra amin’ny  « canidés » ny Fennec. Miavaka amin’ny sofiny maranitra izy, manampy azy hahazo rafi-drivotra sy mampangatsitsiaka ny ràny izany raha ny fantatra ary anisany taova tena miasa aminy. Mifanaraka amin’ny toetry ny andro any amin’ny tany efitra kosa ny toe-batan’io biby io, ny volony ary ny voany. Mazaka hafanana tafahoatra sy tsy fahampian-drano izy.

Laisser un commentaire