ActualitésTsidika

Alasora : Asa fiveloman’ny mponina ny fanamboarana tavy vita amin’ny tanimanga

Anisan’ny sehatr’asa fanao ary mamelona fianakavina maro ao amin’ny fokontany Alatsinainy, kaominina Alasora ny fanaovana tavy vita amin’ny tanimanga. Tsy voaresaka matetika, fa anisan’ny mandalo sedra sy olana maro toa ny asa rehetra izy ireny, manomboka any amin’ny fitadiavana akora, mandalo amin’ny famolavolana azy ary indrindra ny any amin’ny fivarotana azy.

« Efa ho 20 taona izao no nanaovana ny asa (tavy tany) vita amin’ny tanimanga. Betsaka ny olana nosedraina nandritra izany fotoana izany, tsy hita anefa fa io no asa fivelomana ka tsy maintsy atao. Izahay fianakaviana iray tanàna eto samy mivelona amin’ny fanaovana tavy tany avokoa. Anisan’ny olana sedraina amin’izao fotoana izao, ny fahalafosan’ny kitay fandroana azy, eo ihany koa ny fatiantoka noho ny fahalafosan’ny hofan’ny tanim-bary hangalana ny fotaka, ny fitaterana ny entana ary ny tsy fandoavan’ireo mpandray entana ara-potoana ny vola vidin’ny entana » hoy i Rabona, mpanamboatra tavy.

« Ireo vahiny sy ireo mpanambola no tena liana amin’ny fanjifana ny resaka asa tanana. Amin’izao fotoana izao, hita tena nihen-danja ny fividianana ireo ara malagasy ireo, tsy hay hoe noho ilay fahasarotan’ny vidim-piainana ve ? » hoy i Fanja, tomponandraikitra misahana ny fivarotana asa tanana.

Asa tanana mila fanohanana ny fanamboarana ny tavy eny amin’ireo kaominina isan-karazany. Asa fiveloman’ny fianakaviana maro izy ireny ka tokony homena sehatra, indrindra omena lanja sy fanohanana hahafahana mampivelatra ny sehatry ny asa tanana malagasy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire