Tontolo iainana : Olona an’arivony no hiara-hientana hamono ny afo ao amin’ny faritra arovana Ambohitantely
Dépêche 14 octobre, 14h, Hisy fiaraha-mientana hotarihin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy anio. Hanampiana ireo izay efa miasa sy ireo fokonolona mamono afo ao amin’ny faritra arovana Ambohitantely Ankazobe izany manoloana ny fahamaizana eny an-toerana. Ady iombonana ny famonoana ny afo toy izao satria fananana iombonana io ary miantoka ny fahasalaman’ny tsirairay ka manantena ny fahavononan’ny tsirairay handray anajara amin’izany. Efa nahetsika ireo fitaovana rehetra teo anivon’ny Fiarovam-pirenena satria efa ho ny 46% ny ala no efa potika amin’izao fotoana izao. Mitohy hatrany ny fiarovana ny Tanindrazana miaraka amin’izany.
